You are here: home > Vetso

LANJAIKO - Fredy Jaofera



LANJAIKO





Nataoko ny hiadam-pinaritra,
tsy hitodika ny andro taloha
kanefa dia mbola namaritra
ny alahelo nanakotsa ny fo.




Aiza eto no misy andro iray
tsy hisainako zava-tsy tanty
fa matetika no mbola mivay
sy tsaroana ireo nanabanty ?




Ekeko fa mbola mamiratra
iny alina izay manopy jaky
kanefa na eto toa mihiratra,
ny sento no tonga malaky.




Rahoviana no tsy ho saiko
'reo sedra toa saro-baliana
fa anio izao mbola lanjaiko
'reny ora tsy zaka mangina ?




Fredy JAOFERA





Hametraka hevitra

Midira aloha