You are here: home > Vetso

Mahalelo anao - Fredy Jaofera

Malomaloka ny ety Ambohipanja
Ka tsy vita izay tokony hatao;
Ny fiainako no tsy ampy lanja
Fa ‘zany foko no lavitra anao.
     ‘Reo andro mikotroka lava,
     Mangeja no sady misaona;
     Ny foko tsy mahita mazava,
     Maniry na te ho any foana.
‘Reo vorona mody miery,
Mihira no mba mikorana ;
F’izaho no singany irery,
Fa tsy eo ianao manafana.
     Tomany no latsaka ho azy
     Indray,indroa,in-telo !
     Tsy laingako na vazivazy,
     Fa ny fo no mba malahelo.
Fredy JAOFERA

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hevitra mandeha

NyKanto (30/09/2004 18:01:00)

Tsara! ankafiziko!
Ny Namanao Ny Kanto.

Hametraka hevitra

Midira aloha