MAINTSY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAINTSY



Maintsy ny fanadinoana,
tsy hisy n’oviana n’oviana,
fa mbola firavoravoana
ny mahatsiaro kely mangina.



Maintsy ny fandrodanana
ny lasa izay nofy any ho any
tsy hisy fa efa fiadanana
mahasambatra lava aok'izany.



Maintsy ny tsy halahelo
amin’ireny vazivazy rehetra
tsy hisy ka mamelovelo
ny ao anaty toa mitsetsetra.



Maintsy ny tsy ho poeta
amin’izay sento mandreraka
tsy hisy fa ny hetaheta
ny ho eto akaikiko tanteraka.



Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
857 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 12/09/2014 22:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154