MAIZINA - Fredy Jaofera
MAIZINA
Maizina
eo am-pototry ny jiro
raha nifaizina
ka andeha halaviro !
Maina
eo am-pototry ny rano
raha niaina
hetaheta sy angano.
Noana
eo am-pototry ny vola
raha nivaona
sy toa hoe lasa njola.
Ory
eo am-pototry ny soa
raha nitory
‘reny zava-nahavoa !
Fredy JAOFERA
Tononkalo hafa
ATAOTSY KILALAO
LAVITRA
SAHA
HAZO BOBOKA
TAON-JINA
ARAHABA
NILA FOTOANA
CHAQUE MATIN
LIBERTE
Hevitra mandeha
oliviah (27/06/2009 11:54:16)
maizina avokoa ny tontolo izay jerena
3004 (27/06/2009 23:25:40)
Mampalahelo izany, Oliviah, fa mitrakà mandrakariva. Aza mety ho resin'ny fiainana !
Mirary soa,
Fredy JAOFERA
pissoa (06/07/2009 16:11:07)
"Maina
eo am-pototry ny rano
raha niaina
hetaheta sy angano."
Lalina be ny hevitra ary tiako be ny endriny :))
ANJARA7 (06/07/2009 17:18:51)
mbola ho avy ny maraina oli a!