You are here: home > Vetso

MALAZA - Fredy Jaofera

MALAZA




'Reo izay tsy poety malaza
dia ireo izay toa tsy sahaza
ny aingany rehefa vakina
fa olona tia be manakiana.




'Reo izay tsy poety malaza
dia ireo izay tsy mahalaza
ny fihetseham-pony rehetra
raha faly na azon'ny tsetra.




'Reo izay tsy poety malaza,
na tsy avakavahako re aza
dia ireo izay tsy mba mizara
ny asany fa tiana ho tantara.




'Reo izay tsy poety malaza,
dia ireo izay tsy tia mihaza
ireo teny mambabo avokoa
hahakanto ny talentany koa.





Fredy JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 15/12/2017
Mpamangy : 197
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

SAFIDY
DIARY
MASOANDRO NILENTIKA
HATAHORAKO
MAMIRAPIRATRA
NY FANAHY MASINA
NY ANDRO
KARA
NY MARINA (2)
TADIDY

Hametraka hevitra

Midira aloha