MANGANANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGANANA





Fatra-pitady ny manganana
ka azon'izay tsy nampoizina
raha izao sisa no ananana
sy ny lakana azo voizina.




Fatra-pitady ny manganana
ka voan'izay tsy nandrasana 
raha tratran'ny fananganana
ny sento mbola tsy lasana.




Fatra-pitady ny manganana
ka sendra ny taolana mafy
raha indro mbola fahanana
sy tsaroana ho ratsy fitafy.




Fatra-pitady ny manganana,
nitontona tamin'ny tsy izy ;
ireo saritsarim-piadanana,
natao ombieny ambozizy.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
862 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 29/01/2018 23:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198