MANGOTSOKOTSOKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGOTSOKOTSOKA



Mangotsokotsoka ny lasa
rehefa mitokana mangina ;
mamoha eny sy mampiasa
ireo efa nitondra fanaviana.




Mangotsokotsoka ny jaly
rehefa manorana ny tany ;
tsy hay loatra izay havaly
ka tonga eto ireo tomany.




Mangotsokotsoka ny fery
rehefa misaontsaona ny fo ;
tsy hita ambara ny efa very
na ny efa rava sy ny efa lo.




Mangotsokotsoka ny hafy
rehefa reraky ny fiainana ;
tadidy foana ny ady mafy,
tsy dia ilana fitarainana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
763 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 20/02/2017 18:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147