MANINTONA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANINTONA




Manintona ny ratsy
ny zavatra tsara
fa ilainy ho vatsy
hanova ny anjara.




Manintona ny ratsy
'reo soa sesehena,
fa sao atsy ho atsy
ka ho sanganehana.




Manintona ny ratsy
'reo fahombiazana,
na indro fatsifatsy
no maro sy tazana.




Manintona ny ratsy
'reo hasambarana,
manery azy hihatsy
tsy hita mifarana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1038 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 13/02/2017 14:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146