You are here: home > Vetso

MASOANDRO NILENTIKA - Fredy Jaofera



MASOANDRO NILENTIKA





Masoandro nilentika
ny ray aman-dreniko,
tsaroako matetika
hanainga ny peniko.




Masoandro nilentika
ny ray aman-dreniko,
tsy nanana tetika
hipoiran'ny neniko.




Masoandro nilentika
ny ray aman-dreniko,
vakio fa tsy retika
na zavatra afeniko.




Masoandro nilentika
ny ray aman-dreniko,
na be ireo nifetika
sy nandiso ny teniko.





Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha