MILAZA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MILAZA


Milaza ho manam-pitiavana
kanefa tsy tia
iny olona manam-piniavana
hamery ny dia.




Milaza ho manam-pitserana
kanefa jereo
fa maro mila hanan-toerana
ny eso, zareo.




Milaza ho manam-pihavanana
kanefa nahoana
no tsy nikatsaka izay fiadanana
hitobaka foana.




Milaza ho manam-pisainana
kanefa ny atao,
mandreraka lava ny fiainana
ka dia nandao.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
928 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/12/2016 13:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147