MISY FAHATSIAROVANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY FAHATSIAROVANA




Misy fahatsiarovana
mahafadiranovana
rehefa singan-drery,
mamoha ireny fery.





Misy fahatsiarovana
injao mahatorovana
rehefa toa tsy maty
ny tsy zaka ao anaty.




Misy fahatsiarovana
efa lasa fahalovana
tsy hita bika intsony
na sanatria hamony.




Misy fahatsiarovana
satriko eto harovana,
mamintsika hatrany,
na tsy miray akany.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
973 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 14/09/2014 23:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155