You are here: home > Vetso

MISY NY RATRA... - Fredy Jaofera




MISY NY RATRA...





Misy ny ratra
tsy entin'ny taona
fa mamahatra
mila hampisaona.




Misy ny ratra
ao anaty mangina,
na ela nihatra
dia fangirifiriana.




Misy ny ratra
mbola tsy sitrana,
mivatravatra
no tsy mamitrana.




Misy ny ratra
mandoro ao anaty,
tsy hita fatra
no tsy mety maty.





Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha