You are here: home > Vetso

MISY RANOMASO... - Fredy Jaofera

MISY RANOMASO...





Misy ranomaso
mipololotra ho azy
eto ka andraso
fa mafy toy ny sazy.




Misy ranomaso
tsy hay hotantaraina
fa efa an-kaso
nampandrera-tsaina.




Misy ranomaso
mandratra lalandava
fa nanasohaso
izy iny no nandrava.




Misy ranomaso
gidragidra nanadala,
andeha alefaso
ny hira re mba hiala.





Fredy JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 02/12/2018
Mpamangy : 326
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

ANDROANY
TENY
IANAO (2)
EFA FANTATRO
EVINA
LANJAIKO
VODY ANDRO MERIKA
NY RATSY
RAHA TSY EO IANAO
ONIBE

Hametraka hevitra

Midira aloha