You are here: home > Vetso

MOFO MARIAZY - Fredy Jaofera



MOFO MARIAZY


( Atao manoloana ny mofo ho an'ny mpivady vao.)




Ataovy ngeza tahaka an'izao
ny fitiavanareo
hitombo foana no hihavao
ary tsy hankaleo.



Ataovy tsara tahaka an'izao
ny andronareo
hihiratra lava ka ivavaho
tsy hanan-toreo.



Ataovy mamy tahaka an'izao
ny fiainanareo
hitobaka soa ka hirahirao
ho renay ny feo.



Ataovy avo tahaka an'izao
ny tanjonareo
ho rehareha ary dradradradrao
rehefa hiseho.




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha