NY ANDRON'NY FAHAZAZANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANDRON'NY FAHAZAZANA





Ny andron'ny fahazazana,
andron'ny tsy fahalalana
fa nanoritra teny sahady
ny fiainako ho be adiady.




Ny andron'ny fahazazana,
andron'izay fahabangana
tsy tsaroana ho nanorana
fa nanehoana fahatsorana.




Ny andron'ny fahazazana,
andron'ny tsy azo fafana
fa nipoiran'ireo disadisa
nandrava an'ity paradisa.




Ny andron'ny fahazazana,
andron'ireo be fandrarana
fa mamiko loatra, na izany,
ka mbola mahalasa vinany.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1094 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 12/09/2018 13:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149