NY EO AMIN'I DADA SY NENY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY EO AMIN'I DADA SY NENY





Ny eo amin’i Dada sy Neny
raha lazalazaina ny habeny,
raha fotopotorana ny lanjany
sy resadresahina ny tanjany :
fianarana ny soa sy ny tsara
hahamiratra foana ny anjara.





Ny eo amin’i Dada sy Neny
raha tantaraina ny hareny,
raha eritreretina ny vitany
sy voavisavisa ny hitany :
mbola hasambarana marina,
tsy hain’ny na iza takarina.




Ny eo amin’i Dada sy Neny
raha averimberiko ombieny,
dinihina ambony sy ambany
sy hafatrafarako hatrany :
fiomanana ny ho avy rehetra
ho lavitry ny sento sy tsetra.




Ka na rahoviana miteny,
mbola omeo haja izy ireny,
omeo tambitamby mangina,
omeo izay mety hafaliana,
isaory ny Tompo isan’andro
fa mbola mana-masoandro.




Ary rehefa mba hary elatra,
nikopaka sy efa nivelatra,
ka manana ny toerana avo,
rehareha mbola maharavo:
isaory i Dada sy Neny,
no tiavo be lavareny.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1132 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 14/01/2018 19:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015