You are here: home > Vetso

NY FANAHY MASINA - Fredy Jaofera




NY FANAHY MASINA





Fanahim-pahazavana,
fanahim-pahagagana
avy amin'ilay Nahary
ka tsy mahay manary.




Fanahim-pahendrena,
fanahim-pandresena
mitondra fanohanana,
misy koa fiadanana.




Fanahim-pandrafetana
ny soa am-paharetana
hanjakan'ny fitiavana
ka hahaiza-mihavana.




Fanahim-pananarana,
mpamoha varavarana
raha mitady fifaliana
ianao, na rahoviana.




Fredy JAOFERA


Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 06/07/2018
Mpamangy : 138
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

EFA TANY !...
KINTANA
FARARANO
SAFIDY
DIARY
MASOANDRO NILENTIKA
HATAHORAKO
MAMIRAPIRATRA
NY ANDRO
KARA

Hametraka hevitra

Midira aloha