You are here: home > Vetso

NY MARINA (2) - Fredy Jaofera



NY MARINA





Marary ny Marina
rehefa fantatra
ka aoka tsy itarina
fa mamahatra.




Mamely ny Marina
rehefa ovaina,
na indro amboarina
isa-maraina.




Maneso ny Marina
rehefa avela,
tsy hita manarina
sady toa ela.




Mandoza ny Marina
rehefa lotoina,
'zay vita mamarina
vao tompoina.





Fredy JAOFERA


Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 01/06/2018
Mpamangy : 207
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

EFA TANY !...
KINTANA
FARARANO
SAFIDY
DIARY
MASOANDRO NILENTIKA
HATAHORAKO
MAMIRAPIRATRA
NY FANAHY MASINA
NY ANDRO

Hametraka hevitra

Midira aloha