You are here: home > Vetso

NY RATSY - Fredy Jaofera


NY RATSY





Ny ratsy mora ianarana
fa ny tsara dia tsy izany
no tenim-pandaharana
mitombina eto an-tany.




ny ratsy ambinin-doza
fa ny tsara mahavariana,
na ambara ho be kitoza
sy toa lavi-pahoriana.




ny ratsy mahasolafaka
fa ny tsara mahatafita,
na dia indro afakafaka
tamin'ireny zava-bita.




Ny ratsy mbola hivaly
fa ny tsara toa tantely,
na dia iny mampifaly
sy misoko mora kely.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha