NY SAMBO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SAMBO




Impiry ny sambo no nisamboaravoara,
notsofin'ny rivotra mafy dia mafy ;
kanefa tsy taitra raha efa anjara
fa mainka mizotra, na be fafifafy.




Impiry ny sambo no nampitebiteby,
natopan'ny alona tsy hita popoka
kanefa ny tokiko tsy nety voareby
fa mainka niampy sy mba nitsotsoka.




Impiry ny sambo no toa nampangovitra,
nokatsahan'ny trozona hilentika foana
kanefa eny ihany, na ny lay aza rovitra
manao izay hahatody hanova ny taona.




Impiry ny sambo no toa nampatahotra,
mila nivadika sy tsy nety hamikirana
nefa aho tsy lavo, na hoe vahobahotra
fa mainka mijoro sy mba miramirana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana - fiainana
1327 2
Hevitra mandeha
toetra ( 29/08/2005 21:24)
Ady tokoa ny fiainana ry Fredy Jaofera !
Marina tokoa izay voasoratra.
JMR ( 02/09/2005 11:11)
Tena masaka e! Mitondra fampaherezana ho an'ireo miady amin'ny hasarotam-piainana toy ny any Gasikara ...
Bana Rahalahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 25/08/2005 22:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107