You are here: home > Vetso

NY TOAKA - Fredy Jaofera




NY TOAKA





Mandoto ny toaka :
manimba ny tena
kanefa dia avoaka
vao fety no omena.




Mandoro ny toaka,
manary ny hasina
rehefa mitsoaka
sy mitsikasina.




Mandoza ny toaka,
mandrava ny aina
rehefa mandoaka
'rony adin-tsaina.




Mamono ny toaka,
mila hampiveraka,
rehefa mandroaka
ny haja tanteraka.




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha