NY VARY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VARY





Ny vary tsy fotsy tsy an-daona
ka aza varimbariana
na mirenireny mandavataona
sao hahabe fanahiana.




Ny vary tsy fotsy tsy an-daona
ka aza mipetrapetraka
na be lalao sy tsy ho tafahaona
sao dia ho ketraka.




Ny vary tsy fotsy tsy an-daona
ka aza matoritory
na kamokamo sy te hivaona
sao dia ho ory.




Ny vary tsy fotsy tsy an-daona
ka aza miadaladala
na manonofy mody afa-tsaona
sao dia hampiala.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1125 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/01/2017 12:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0183