RAHA HITAKO VE ?... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HITAKO VE ?...




Raha hitako ve fa ratsy
dia tokony hotiavina ihany
sa ialana fa tsy hamatsy
ny andro ho soa eto an-tany ?




Raha hitako ve fa loza
dia tokony hiarahana lava
sa ekena fa be kitoza
sy azo antenaina hampisava ?




Raha hitako ve fa jaly
dia tokony hifaneraserana
sa hajaina fa mahavaly
'reo taona be fahabangana ?




Raha hitako ve fa biby
dia tokony ho namana foana
sa dia tokony handimby
ny sainy, na ahoana na ahoana ?





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
835 1
Mpakafy: daniel.r
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 07/03/2017 12:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153