You are here: home > Vetso

RAHA MAMAKAFAKA - Fredy Jaofera


RAHA MAMAKAFAKA





Raha mamakafaka
dia ny olona nizaka,
nahalala faharesena
tsy nisy famonjena,
nahazo fahavoazana
fa tsy fahombiazana,
nandalo adin-tsaina
toa tsy hay lazaina,
voavelively ratra
hita ho izaitratra,
nitolona mangina
tao anaty fihafiana,
tao anaty ranomaso
mbola be an-kaso,
tao anaty alahelo
mihoatra ny telo
no mahafinaritra
raha toa tsy aritra.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha