RAHA MANORATRA AHO... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MANORATRA AHO...






Raha manoratra aho, tsy hitantara ny zavatra lasa,
raha manoratra aho, tsy hanambara zava-boakasa,
raha manoratra aho, tsy fitia ny hanoratra fotsiny,
raha manoratra aho, tsy rediredy atao ranofotsiny !



Raha manoratra aho, tsy anehoana fa hoe malahelo,
raha manoratra aho, tsy amoahana fa mamelovelo,
raha manoratra aho, tsy idradradrana fa manina,
raha manoratra aho, tsy andrebirebena fa fanina.



Raha manoratra aho, tsy itanisana izay mankarary,
raha manoratra aho, tsy hamoha izay tsy nanjary,
raha manoratra aho, tsy anaborahana : Andraso !
raha manoratra aho, tsy itarainana izay ranomaso.



Raha manoratra aho, tsy amerenana fa be fijaliana,
raha manoratra aho, tsy isentoana fa be hakiviana,
raha manoratra aho, andeha ilazalazao ny rehetra
fa dia fitiavana izany !...Fitiavana tsy misy fetra !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1022 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 19/04/2008 23:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011