RAHA TSY EO IANAO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TSY EO IANAO





Na feno aza ny karazam-borona mandalo
manaitaitra ahy sy mbola sarotra atakalo
ho maivana ihany ny tazana eto angamba
raha tsy eo ange ianao, ry efa nahajamba.




Na tobaka aza ange ny voninkazo mahaliana
mandravaka ny tany sy mbola mahavariana,
ho zava-poana ihany, ry aiko sy tsy foiko,
raha tsy eo ianao hameno ny ato am-poko.




Na bobaka aza ange ny hira tsy hay tohaina
mamono tsisy farany ireo nandrera-tsaina,
ho nofinofy hatrany fa tsy ilaiko eto akory
raha tsy eo ianao handrakotra ahy matory.




Na tototra aza ange 'reo kinta-mpanazava
manova ny lasa mbola ho miramiran-tava,
ho eny ambony ihany no sarotra takarina
raha tsy eo ianao hampiadana eto marina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1163 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 16/01/2019 09:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138