RANO RARAKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANO RARAKA





Ny rano efa raraka
ka aleoko miaraka
amin'izay mahasoa
no tadiaviko aloha.




Ny rano efa raraka
ka aleoko misaraka
fa na te hanazava,
tsy ho azony lava.




Ny rano efa raraka
ka aleoko mihataka,
tsy hihaona intsony
fa tsy hampitony !




Ny rano efa raraka
ka aleoko miravaka
an'izay zava-tavela
afaka hanova ny ela.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
769 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/03/2019 12:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154