You are here: home > Vetso

RAOZY SA TSILO ? - Fredy Jaofera




RAOZY SA TSILO ?





'Zay manantena
dia mijery ny raozy
fa tsy mahita ny tsilo,
tsy mivembena,
miezaka hipaozy,
na tsy manam-panilo.




'Zay kivikivy
dia mijery ny tsilo
fa tsy mahita ny raozy ;
mamely in-tsivy
ka mila hankadilo
raha hoy aho : ilaozy !




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha