You are here: home > Vetso

REHEFA KELY NY FITIAVANA - Fredy Jaofera



REHEFA KELY NY FITIAVANA




Rehefa kely ny fitiavana
dia ngeza be ny hadisoana
ka haratsina tomandavana
sy lazaina ho tsy inoana.



Rehefa kely ny fitiavana
dia ngeza be ny disadisa
sy tsy misy izay finiavana
hanova izany ho paradisa.



Rehefa kely ny fitiavana
dia ngeza be ny fialonana,
nofinofy izay hampihavana
fa satry foana hotakonana.



Rehefa kely ny fitiavana
dia ngeza be ny fosafosa,
tsy mitondra fahasoavana
izay irina mba hisosa.




Fredy JAOFERA

Hevitra mandeha

Natshy (08/06/2017 09:57:35)

Hono hoa mba saika hangataka fiarahamiasa aminao Adriamato FredyJaofera

Hametraka hevitra

Midira aloha