You are here: home > Vetso

REHEFA TSY AM-PITIAVANA - Fredy Jaofera



REHEFA TSY AM-PITIAVANA





Rehefa tsy am-pitiavana
no anaovanao ny adidy,
tsy hivatsy fahasoavana,
na ambara ho sarobidy.




Rehefa tsy am-pitiavana
ny andraikitra sahanina,
mirefarefa ny finiavana
sy toa mahavalalanina.




Rehefa tsy am-pitiavana
ny asa maro tanterahina,
tsy dia hita ho goavana,
na indro foana arahina.




Rehefa tsy am-pitiavana
'reo tigetra nokobonina,
na nahazo fankatoavana,
tsy ho to fa tsy foronina.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha