RIVODOZA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RIVODOZA





Oram-be mikija sy rivotra mahery
no mandrava ny tanàna manontolo ;
ny entan-tokantrano kotsa sy very,
tsisy antenaina ho avotra daholo.




Tafo maromaro no misidina avokoa,
rivo-tsy mitsahatra no mamelively,
hazo vitsivitsy miongotra eny koa
ka hatahorana hitontona eto kely.




Rano hatrany no mandifotra arabe,
manadala ny efa mpandeha tongotra,
tena tsy hita ialana, na aiza no aleha,
manimba pataloha ka mila hidofotra.



Mitohy ombieny ny rivotra mifofo,
entiny izay zakany miaraka aminy,
jerem-potsiny izay rava sy niofo,
navelany teo ny sisa tsy maminy.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1013 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 10/03/2017 13:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145