You are here: home > Vetso

SAFIDY - Fredy Jaofera


SAFIDY





Raha tany no niantefa
ny vetsom-po rehefa
tsaroana ho sarobidy
dia izay aloha safidy.




Raha tany no naboraka
ny mamy tsy natoraka,
ny tsapa tiana handidy
dia izay mbola safidy.




Raha tany no nambara
fa izy ihany no anjara
hamotika ahy ny ngidy
dia ao foana ny safidy.




Raha tany no narindra
'zay lalaina indrindra,
tsy tery eto na adidy
dia tao lava ny safidy.





Fredy JAOFERA



Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 12/07/2018
Mpamangy : 256
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

EFA TANY !...
KINTANA
FARARANO
DIARY
MASOANDRO NILENTIKA
HATAHORAKO
MAMIRAPIRATRA
NY FANAHY MASINA
NY ANDRO
KARA

Hametraka hevitra

Midira aloha