SAMBATRA IANAREO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBATRA IANAREO


(Atolotro an'izay velon-dreny eran'izao tontolo izao)


Mandihiza, ry zareo !...Miderà, mihobia !
Mihirà raha azo atao ! Misaora, mitsikia !
Mivavaha hatrany, hoy aho raha miteny,
raha hatramin'izao eo anilanao ilay reny.



Mitehafa ! Miderà an'Andriamanitra
fa mbola mazava sy manga ny lanitra,
mbola mikalo no finaritra ny fiainana
ary mbola manana ny azo itarainana.



Misaora ho'aho, ka aoka tsy hiambatra,
'nareo ange, re olona, no tena sambatra,
'zahay aza, na hiantso lava hoe : Avoty,
tsy voavonjy fa nateraka ho kamboty.



Ny fahoriana aza no hitombo hatrany,
ny fijaliana vao mainka tsy fanontany,
anjara sy lahatra tokoa angamba izao
fa mbola manorana ny ao anatiko ao.



Mihobia, ry velon-dreny !...Miravoa !
Ineny malala ange no tokana, tsy roa,
na mahantra aza na sanatria ka ory
raha eo anilany, tsisy dikany akory.



Mandihiza, ry zareo !...Miderà, mihobia !
Mihirà raha azo atao ! Misaora, mitsikia 
fa Ineny marina no hany mbola harena
tsy hay atakalo, na amin'ny volamena.



Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana - Alahelo
1376 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 20/05/2008 22:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102