You are here: home > Vetso

SAROTRA IVOAHANA - Fredy Jaofera

SAROTRA IVOAHANA





Sarotra ivoahana
ny ala nidirana
fa nivavahana
vao nihorirana.




Sarotra ivoahana
ny kizo naleha
tsy nitsoahana
fa natrehina re.




Sarotra ivoahana
'zao aizina hita
fa nikatsahana
'zay hahatafita.




Sarotra ivoahana
ny vovo nahazo
fa hay novahana
ka eto, topazo.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha