You are here: home > Vetso

SINOA NGITA VOLO - Fredy Jaofera




SINOA NGITA VOLO





Sinoa ngita volo
no tadiavin' ny sasany ;
karohiny im-polo
sy ataony ho lahasany.




Sinoa ngita volo
no masaka an-dohany
fa tsy mpanolo
raha zavatra tohany.




Sinoa ngita volo
no lasitra amboariny,
na voakolokolo
sy mitozo ny rariny.




Sinoa ngita volo
no andrasany ho avy ;
tsy izay daholo
anefa no miangavy.





Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha