You are here: home > Vetso

SOLONTENAKO - Fredy Jaofera



SOLONTENAKO





Solontenako ny soratra
hitondra ny fitiavako
ho any re, ry tiana ;
misy foana 'rony holatra,
'reo solosolom-bavako
miampy firariana.




Solontenako ny soratra
hamangy vetivety
raha mba sitrakao
ka indro fa mamokatra
sy mahay mitetitety
ny teny roa tsy lao.




Solontenako ny soratra
hitondra hafatrafatra
hiaraka ao am-po
ka raiso fa nanokattra
'reo mba zavajavatra
hahafaly anao sy to.





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha