SORATRY NY MANINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SORATRY NY MANINA




Soratry ny manina
no indro mankany,
tsy mahavalalanina
fa mahalasa vinany.




Soratry ny manina
no indro manafatra
fa na tsy nentanina
ny ainga dia lafatra.




Soratry ny manina
no indro mampiray,
tsy zava-nomanina
fa fitia mivaivay !




Soratry ny manina
no indro mitoetra
ka raha dinganina,
ho azon'ny tsetra.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1127 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 21/02/2017 00:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149