You are here: home > Vetso

SORONA - Fredy Jaofera



SORONA





Nanaovana sorona
vao nisy izay azo,
na toa nandrorona
sy niharan'ny tazo.




Nanaovana sorona
vao tody ny tanjona
fa tsy nanamorona
an'izay nihanjona.




Nanaovana sorona
vao niova ny taona
fa tsy lasam-borona
sy mbola nisaona.




Nanaovana sorona
vao 'ty tahaka izao
fa tsy mpamorona
ny lainga ho anao.





Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha