You are here: home > Vetso

TADIDY - Fredy Jaofera



TADIDY





Tadidy ny tsiky
nampety ny dia
tsy nisy nikiky
nandratra fitia.




Tadidy ny sangy
fanaontsika ireny
raha te hamangy
ny fo tsy miteny.




Tadidy ny mamy
nahavelom-bolo,
na dia efa samy
tsy hita daholo.




Tadidy ny hira
nokalokaloina
fa izao sovenira
no sisa vetsoina.





Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha