You are here: home > Vetso

TANJONA ITOVIZANA - Fredy Jaofera

TANJONA ITOVIZANA





Tanjona itovizana
ny volavolam-panarenana,
mitaky fikirizana
sy ny asam-panorenana.




Tanjona itovizana
ny hamoy ny fahantrana
na dia mamizana
sy hita ho mahatamana.




Tanjona itovizana
zay hivoaran'ity vahoaka,
hisy fandihizana
rehefa mety no mivoaka.




Tanjona itovizana
ny lalam-pahombiazana
mitady fanohizana
fa ho an'ny tanindrazana.





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha