You are here: home > Vetso

TIANAO VE ?... - Fredy Jaofera

TIANAO VE ?...





Tianao ve
ny handihy amiko
amin'izany hira izany ?
Satry ange
fa nofy mamiko
matoa aho manontany.




Tianao ve
ny hiaraka amiko
eny an-dalan'ny fitia ?
Andeha
fa efa halamiko
hahafinaritra ho doria.




Tianao ve
ny hianoka avy
'reny zava-nosoratana ?
Maro be
raha te hiangavy
hihaino iray mivantana.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha