You are here: home > Vetso

TIFI-PILESY - Fredy Jaofera



TIFI-PILESY





Tifi-pilesy
no hahavoazako an'io
rehefa hisesy
ny soa madiodio.




Tifi-pilesy
no hahafaty azy mora
rehefa handresy
ny andrasako ho ora.




Tifi-pilesy
no hahazoany fahoriana
rehefa kalesy
no hitsena ahy mangina.




Tifi-pilesy
no hahamoana azy tsara
rehefa hiletsy
ny tiany any am-para.





Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha