TODY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TODY




Tsy nandraharaha ianao anefa nekena
ka nony tsy raharahina, aza mba taitra
fa hanody tokoa no hampivembena
ny ratsy efa vita tsaroako mafaitra.




Tsy nahakarakara ianao anefa nekena
ka nony tsy karakaraina mila ho adala
fa misy valin'ny Lasa tsy nojerijerena
nampisento mangina sy nampisalasala.




Tsy nampiantrano ianao anefa nekena
ka nony tsy ampiantranoana toa lavo
fa ny hasin'ny maty no nohosihosena
nohamaivanina sy mbola naharavo.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1031 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 31/08/2016 09:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011