You are here: home > Vetso

TONGA ITY NY FARARANO - Fredy Jaofera

TONGA ITY NY FARARANO





Tonga ity ny fararano,
tonga ity ny hafanana,
satry ery ny hilomano
no nofy iray tsy tana.




Tonga ity ny fararano,
avy ity ny ala sasatra :
eny ho eny re tazano
fa hafaliana fatratra.




Tonga ity ny fararano,
avy ity ny famokarana,
topazo fa tsy angano
'zay asa nisasarana.




Tonga ity ny fararano,
avy ity ny hamatorana,
maharevo ka tohano,
na tsy ahitana orana.





Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha