TSY... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY...





Tsy ny tanako intsony no mba manoratra ho anao
na ny saina izay nandeha sy niarahana hatrizao,
fa ny foko malahelo toa tsy afaka milaza
‘ty kaloko eto ity, na dia mamy sy malaza.




Tsy ny vorona intsony no andrasako eto ihany
hanala ny ato anaty sy hamafa ireo tomany,
fa ny embona rehetra tsaroako mifamory,
miantso sy mitady saika mila hampahory.




Tsy ny volana intsony no banjiniko hatraty
na izay kintana alinkisa nataoko hiara-dia,
fa ny lasantsika ireny no mamolivoly etoana,
mandalo dia miverina ary lasa dia tsaroana.




Tsy ny tazana intsony no manamaloka ahy indray
na ireo lalana ombàna no mbola misy mahamay,
fa tsy eo anilanao ery ka zary mangatsiaka
ny androko eto anio, na dia revo sy sariaka.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
655 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 23/02/2019 00:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108