You are here: home > Vetso

TSY AHOAKO - Fredy Jaofera

TSY AHOAKO





Tsy ahoako ny halavirana
rehefa misy ny fitiavana,
mazam-be ny fifikirana,
toy izany ny finiavana.



Tsy ahoako ny harerahana
rehefa misy hasambarana,
tsy mba misy fanebahana
fa hafaliana azo ianarana.



Tsy ahoako ny hafanana
rehefa tanjona ny ho any
fa tsaroana mahatamana
sy feno tsiro tsy hita lany.



Tsy ahoako izay diavina
rehefa ambara fa fotoana,
ianao ange tsy azo lavina
sy mampiainga eto foana.



Fredy JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 11/09/2017
Mpamangy : 492
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

ZATRA
MANANKARENA MAHANTRA
GABORARAKA
LEO
TENY MALAGASY
AKANGA TSARA SORATRA
VODY SOBIKA
AZA AMIDY
TERY
TANTARA

Hametraka hevitra

Midira aloha