You are here: home > Vetso

TSY HO AFA-MAINA - Fredy Jaofera

TSY HO AFA-MAINA





Tsy ho afa-maina
ny mpanambaka
tsy hay tanisaina
sy mahazo laka.




Tsy ho afa-maina
ny mpanao ratsy,
na tsy mangaina
sy manam-batsy.




Tsy ho afa-maina
ny mpamitapitaka,
na hita fa miaina
sy toa mibitaka.




Tsy ho afa-maina
ny mpangala-bola,
na tsy lazalazaina
fa farany ho tola.





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha