You are here: home > Vetso

TSY MAHALEO NY SARANY - Fredy Jaofera



TSY MAHALEO NY SARANY





Tsy mahaleo ny sarany
ny zava-nomaniny
ka henoy ny fararany
fa be tomaniny.




Tsy mahaleo ny sarany
ny zavatra foiny
ka ario re ny anarany
fa dia nolotoiny.




Tsy mahaleo ny sarany
ny zava-nomeny
ka topazo ny anjarany
fa osa ombieny.




Tsy mahaleo ny sarany
'reo zava-bitany
ka saino ny tantarany
fa tsisy dikany.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha