You are here: home > Vetso

TSY MANDEHA NY FITANTANANA - Fredy Jaofera




TSY MANDEHA NY FITANTANANA





Tsy mandeha ny fitantanana
raha mitotongana ny ariary,
tsy hay raha ho tombanana
izay mbola ho vidim-bary.




Tsy mandeha ny fitantanana
raha miaka-dava ny lasantsy
fa tsy mba misy fanakanana
ny hisondrotany eto mantsy.




Tsy mandeha ny fitantanana
raha mikaikaika ny vahoaka,
mba rediredy izay fiadanana
fa tsy ho hita hahatafavoaka.




Tsy mandeha ny fitantanana
raha krizy foana no mipoitra,
nofy hatrany no ananganana
firenena efa ela tsy nizotra.





Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha