TSY ORY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ORY




Tsy orin-java-tsoa
'reo manana ny Ray :
voatahy ka mazotoa
fa andry anankiray.




Tsy orin-java-tsoa
ny manao ny Marina
fa toky, mandrosoa,
sy tsy hampivarina.




Tsy orin-java-tsoa
'reo tsara ny fanahy
ka na aiza, miravoa
sy aza mba manahy.




Tsy orin-java-tsoa
'reo mihantra lava
na ahoana, mijoroa
fa tonga ny mazava.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
807 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 28/03/2017 14:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162